Madagascar Information
Business picture

A la Une


 


 

F’jery TANTSAHA MPANDRAHARAHA

IMPÉRATIF DE REBOISER...

 

Ecologie

 

Arrêtons de déboiser...

... et REBOISONS

L’enjeu du changement climatique repose sur les facteurs de la dégradation de notre environnement écologique.

La pratique du « TAVY », les défrichements par l’usage du feu notamment des feux de brousse non contrôlé, la coupe à blanc des zônes d’exploitation fôrestières pour ne citér que ces exemples de cas… sont nos maux et reconnaissons le, une part irresponsable de nos actes à la destruction de nos patrimoines faunistiques.

A quand arrêtons nous ces pratiques suicidaires ?

Au delà des intêrets commerciaux nous invitons à tous, et avant tout le sens d’ un civisme citoyen en faveur de la protection de la nature, et à chaque usage des matières à base du bois, pensons à l’avenir de notre pays et de nos progénitures.

Si nous n’adoptons aucune règle de stopper ces fléaux et de mettre en œuvre des actions concrètes et un plan de bataille le lutter, d’ici peu notre pays ira vers l’agonie de la désertification.

Commençons à sensibiliser de reboiser avec le concours des communautés villageoise selon cette recommandation :

Si l’on coupe un arbre...,

... Replantons dix

 

 

F'Jery

F'JERY

Nofiko ny ho tantsaha mpandraharaha…

TSIRY no anarako. Tantsaha izahay ary raiki-tapisaka teo amiko ny fitiavana ny tontolo ambanivohitra. Ny ray sy ny reniko dia ny fambolena sy ny fiompiana no nentiny namelona anay. Nanana omby vitsivitsy sy fitaovana entina miasa ny tany izahay. Niompana tamin’ny voly vary ny vokatra fototra ary narahina fambolena hani-kotrana ho fanampin’ny sakafo mahavita taona. Ny ambim-bava no amidy hamatsiana ny tahiry ho amin’ny kojakojam-piainana an-davanandro. Nilofo nandefa anay hianatra any an-tsekoly ny raiamandreny satria mba nofin’izy ireo ny fikarohana ny fahombiazana ho an’ny taranaka, eny tsy hay na efa nitsinjo izy ireo hamolavola anay ho tantsaha mpandraraha.

Nahavita hatrany amin’ny fianarana ambaratonga ambony ny tenako. Nahazo marim-pahaizana amin’ny fitantanana orin’asa. Hiditra amin’ny tontolon’ny asa aho… Rehefa tena nandinika lalina aho dia handray anjara amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra izay sehatra ho fampivoarana handresena ny fahantrana eto MADAGASIKARA.


Ny fananan-tany.

Nanahirana ahy ny nikaroka asa taty an-drenivohitra. Naposako tamin’ny fianakaviana ny fikasako hamokatra sy hanao asa fihariana amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Tsy nanano-sarotra fa nanome tanana sy ny toro-hevitra ny rehetra, nambara tamiko fa malalaka ny tany ary maro ny sehatra fihariana miandry ny fahaiza-manao avy amin’ireo nahita fianarana sy nivohy fandrosoana avy amin’ny haitao vaovao.

Nizaha ifotony aho mikasika ny fananan-tany. Akory ny hagagako raha nahita fa maro tokoa amin’ireo tany midadasika eto MADAGASIKARA tokoa mantsy no mbola azo hangatahana amin’ny fanjakana hanaovana fanajariana sy fanamintisamolaly hamokarana.

Nifanakalo hevitra tamin’ireo olomboafidy sy teknisiana momba ny fambolena taty an-toerana aho ka namporisika ahy izy ireo tamin’izany tetik’asa kasaiko tanterahina izany. Toro-hevitra natolotra ahy ny hanantonako ny sampan-draharaha misahana ny tany amin’ ny famindrana ny filazam-panana fa tompon’ny tany aho izay manao ny fana-maintisamolaly izany tany izany mialoha ny hanomezana ny karatra momba ny tany. Mila tany mirefy ho 15 hekitara raha kely indrindra ahafahana mahita ny tombontsoa amin’ny fampandehanana ny orin’asa madinika ara-pambolena sy fiompiana.


Fehezina ireo haitao vaovao @ fambolena.

Efa taona maro no nifaneraserako tamin’ireo olona eny amin’ny tontolo ambanivohitra izay ny 90% mifototra amin’ny fambolena avokoa. Hitako sy tsapako fa miadana ny fivoarana eo amin’izy ireo noho ny fitazomana ireo fomba nahazatra avy tamin’ireo razana nifandimby. Ny toetr’andro anefa efa mitaky zava-baovao, mitaky kalitao sy vokatra manara-penitra, noho izany mila mianatra ireo teknika vaovao. Ohatra amin’izany ilay fambolena vary maro anaka manome vokatra in-telo avo eny mihoatra amin’ny vokatra azo avy amin’ny fanao hatrizay. Nanatona ireo teknisiana momba ny fambolena aho ary maro ny toro-hevitra nomena ahy. Taty aoriana kely dia nomena fiofanana koa amin’ny fampiasana ny tany amin’ny voly avotra.


Ny famantsiam-bola.

Nilofo ihany aho tamin’ny fikasako ary nahita ny tany. Dingana fototra io ary hiroso amin’ny manaraka indray aho dia ny fikarohana ny loharanom-bola hoenti-mampandeha ny tetik’asa.

Izaho dia tia mihaino ny vaovao amin’ny onjam-peo sy mamaky gazety ka hitako tamin’ireo loharanom-baovao ireo ny fisian’ireo sampandraharaha misahana itony atao hoe fampidramam-bola madinika itony. Niezaka aho nanatona izay tompon’andraikitra nizahako ny fanazavana amin’ny tolotra omen’izy ireo. Nambara tamiko avokoa ny pitsopitsony (iza no afaka mahazo ny famatsiam-bola, inona avy ny dingana tokony ataoko, ny taratasy samihafa, ary indridra ny zanabola sy ny fotoana hamerenana ny renivola…)

Ny tena dia nianatra mikasika ny fitantanana orin’asa dia tsy nanano sarotra tamiko ny nanomana ireo antonta-taratasy mikasika ny fanadihadihana fototra mikasika ny kajikajy rehetra amin’ny ahitan’ny tetik’asa fahombiazana na « étude de rentabilité » sy ny fanaovana ilay findramam-bola. Rehefa natao ny fampiraharahana dia voasafidy ny tetik’asa natolotro.


Ny fampitaovana.

Niroso lalindalina ny tetik’asa ary nanomboka nizaha ireo fitaovana enti-miasa izahay. Voatery niakatra taty an-drenivohitra nizaha izay ilaina. Satria midadasika ny tany hanatontosako ilay tetik’asa, mirefy ho 15 Ha any ho any araka ny voalazako tery ambony.

Tsy ho vita amin’ny asa amin’ny angady na angadin’omby intsony izany fa mila fitaovana hari-fomba kokoa dia nizaha ireo angady mandeha amin’ny motera toy ny « moto-culteur » na trakitera mihitsy. Torak’izany ny ambioka voafantina, ny zezika sy fanafody enti-miady amin’ny aretina sy bibikely manimba ny voly. Maro ny fahasarotana amin’ny fanatontosana izany rehetra izany kanefa masaka an-tsaina hatrany ny hioty fahombiazana ka natambatra ny hery sy ny fananana finoana. Fepetra fototra mantsy ny fikirizana…


Ny fampiofanana asa tsara tantana.

Variana tokoa ny rehetra taty an-tanàna rehefa nahita ny dingana vita. Maro no lasa velom-panontaniana sy liana tamin’ny traik’efa notovozina tamin’izany.

Rehefa voavaha tsikelikely miandalana ny mikasika ny tany, ny famantsiam-bola ary ny fampitaovana dia tsy nitsahatra nanampy ireo mpiray antoka mbola nanome ny fampiofanana samihafa niatomboka tamin’ny haitao ara-teknika mikasika ny famokarana sy ny fomba fitantanana ho fikatsahana ny tanjony dia ilay fahombiazana ho an’ny mpandraraha nivohy ilay tetik’asa. Niaraka tamin’izany koa ny famakiana boky hanatevenana ny fahalalana.

Nilofo tokoa izahay nandray ireo toro-marika maro ary nanaraka izany. Teny an-dalana dia hita manomboka hita ny fivoarana satria misy ny faha-samihafana tamin’ny fitantanana nahazatra nenti-paharazana sy izay noratovona vaovao manaraka ny fivoarana. Natoro tamin’izany ny fitanana an-tsoratra ny bokim-bola ka raketina ao avokoa ny vola mivoaka sy ny miditra mikasika ireo vokatra namidy sns. Eny tonga hatramin’ny toro-làlana ny hanaton-tosana izany amin’ny solosaina ka ho voara-maso avokoa ny lany sy hamolavolana ny vinavina na « prévisionnel » hatramin’ny fanajana ny fotoam-pambolena sns… Raha fehezina dia tanjona ny aha-lasa ny tantsaha malagasy rehetra ho mpandraharaha maty hanina tanteraka sy manao famokarana manara-penitra.


Ny ezaka miandrandra fahombiazana.

Tonga ny fotoana fanombohan’ny fiasana ka nanome tanana anay avokoa ny mpiara-monina. Tsy very teo amin’ny mponina manodidina anay ny kolotsaina nentin’ny valin-tanana eo amin’ny vondrona ifotony amin’ny fokonolona. Nilatsaka ny orana, nasaina ny tany, nafafy ny ambioka, natomboka ny fanetsana, nohajariana ny fefiloha sy ny fampidiran-drano, ary volana vitsy taty aoriana dia nijinja. Talanjona ny manodidina nahita ireo fitaovana hari-fomba toy ny trakitera niasa ny tany midadasika ao anatin’ny fotoana fohy… Ny fampiasana ny zezika sy ny famonoana ny ahitra, niaraka tamin’izany ny fanapariahana ny voly avotra.

Tsy hita akory dia tonga ny fotoana fampiakarana ny vokatra. Natao ny tomban’ezaka ka tonga ny rano naha-tsakaina. Maha-talanjona ny fahitana mari-drefy tsy toy ny nahazatra. Avo-telo heny noho ny fahita mahazatra. Tsara ny vidim-bokatra ary voa-verina ny vola nosamborina.


TENA AZO RESENA NY FAHANTRANA
Aoka isika hanana finoana ary masahy misedra ireo dingana sarotra…

Id’Fampivoarana.


M'BD

ID'Fampivoarana

Ny fivoaran'ny tantsaha ho mpandraharaha eny amin'ny tontolo ambanivohitra no fototra hanarina ny toekarem-pirenena...

Mitaky fahombiazana ny fampandrosoana an'i Madagasikara