|
EducationFANALA-HIDY @ FAHANTRANA ny FAMPI-ANARANA MAMAKY TENY sy MANORATRA.Nandritra ny fivoriam-be iraisam-pirenena momba ny fanabeazana ho an’ny rehetra (EPT) izay natao tany Dakar tamin’ny Aprily 2000, izay nandraisan’i Madagasikara anjara no nampahafantarana fa zo fototra ny fandrosoan’ny tsirairay ny fanabeazana. Endrika roa (2) no hisehoan’izany fanabeazana izany eto amintsika dia ny « éducation formelle » ho an’ireo ankizy latsaky ny dimy ambin’ny folo taona ka miditra an-tsekoly, ary eo koa ny « éducation non formelles des adultes » fampianarana mamaky teny sy manoratra miantefa indrindra ho an’ireo olon-dehibe. Raha ny eto Madagasikara manokana no hojerena dia mahatatra any amin’ny 48% ny Malagasy latsaky ny 15 taona ka hatramin’ny 45 taona no mbola tsy mahay mamaky teny sy manoratra araka ny salan’isa fantatra tamin’ny taona 2006. Raha oharina amin’ny firenena efa mandroso iray mantsy dia hita fa tena avo tokoa io taha io. Mipetraka ary ny fanontaniana hoe noho ny fahantrana iainan’ny firenena ve no mety ho anton’izany ?Marihina fa tsy ny any amin’ny tontolo ambanivohitra ihany no voakasika izany fa na ny aty an-tanan-dehibe ihany koa aza. Tsy mitovy araka izany ny farim-pahaizana ananan’ny faritra tsirairay, raha tsy hilaza fotsiny ny toejava-misy any amin’ny faritra SOFIA iny izay ny 44% ny mponina any dia mbola tsy mahay mamaky teny sy manoratra avokoa. Tanjona anefa ny hampihenana izany taha izany ho 50% amin’ny taona 2015 araka ny tanjon’ny Fampandrosoana ho an’ny Taonjato Fahatelo (OMD) raha 52% izany tamin’ny taona 2000. Ireo olona latsaky ny 15 ka hatramin’ny 45 taona moa no tena voakasik’io hetsika manokana izay ataon’ny fanjakana io. Tsy ny olona rehetra anefa no afaka manome fanabeazana ho an’ireo sokajin’olona ireo fa misy fanofanana manokana omen’ny fanjakana ka izay manana mari-pahaizana baccalauréat ihany fara-fahakeliny no afaka handray anjara amin’izany. Samy hafa anefa ny fomba entina hampitana ny fahalalàna amin’izy ireo satria manaraka ny sokaji-taona ananany izany. Ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona dia ireto avy ny fomba hampitana izany dia VOZAMA[T2], AMBOHI-TSORATRA[T3] ary ASAMA [T4>T6]. Ho an’ireo 15 taona ka hatrami’ny 45 taona indray dia mifototra amin’ny filana sy ny asa atao andavanan’andro ny fampianarana. Ny tanjona dia fara-fahakeliny tonga mahavita ao amin’ny taona fahaenina[T6] ny an’ireo olona ireo. Araka ny voalazan’ny Ministera misahana izany anefa dia kely tokoa ny teti-bola atokan’ny fanjakana hanatanterahana izany fandaharan’asa izany. Rahoviana no tena ho resy lahatra tokoa isika fa tokony ho laharam-pahamehana amin’ny fanafoahanana ny fahantrana anie ny ezaka eo amin’ny fanabeazana ny daholobe ka tafiditra amin’izany ny fampianarana ireo olona maro eto amin’ny nosy mila izany fanabeazana mamaky teny sy manoratra izany. Hiraha-mahita anefa izao ny zava-misy fa maro ny tsikera avy amin’ny fanavaozana tian’ny fanjakana hapetraka ho fizahana tsaratsara kokoa ny fanabeazam-bahoaka eto amintsika. Rahoviana ary no tsy hatao handrana intsony ny ho avin’ny taranaka ? Lahatsoratra : RAZANAMANAMPISOA Florence. BrèvesTapatapany…FONJAn’ny Nosy LAVANiorina tamin’ny 14 oktobra 1911, Ho feno 100 taona izao… Io no fonja tranainy sy lehibe indrindra teto Madagasikara. Tamin’ny taona 1972, namaivay ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpianatra teny amin’ny oniversite teny Ankatso. Nihamafy ny fitokonana nataon’izy ireo ary niafara tamin’ny fisamborana. Notanterina tamin’ny fiaramanidina ary nalefa tany Nosy Lava araka ny baiko avy tamin’ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany. Maro ireo olo-malaza politika malagasy no efa nandalo tao. Efa mikatona tanteraka ny fonja ankehitriny.
« RESIDENCE du GOUVERNEUR »Maro ireo trano fahiny nanamarika ny fanjanahan-tany ao Analalava. Mahonena anefa fa tena rava avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Anisan’ izany ny fonenan’ny governera vazaha, izay tena rava tsy misy fikarakarana. Raha ny hakantony tamin’izany fotoana dia azo lazaina ankehitriny ho tokony azo nodimbiasan’ireo tompon’ andraikitra ara-panjakana nifandimby. Tantaran’i Madaga-sikara ireny ka tsara kajaina. sy tahiry. Ho tafaverintsika ve ny manarina izany ?
FANJAVA VELOGNO, mankalaza ny faha 10 taona…Fikambanana manaja fatratra ny fomba nentim-paharazana. Ny solombavam-bahoaka Zalifa BENTE SALIM, no filoha mitarika ny fikambanana. Zanaky ny mpanjaka vavy Sakalava ao Analalava izy ary miezaka hatrany manao asa fampandrosoana ho an’iny faritra iny na ara-toekarena, ara-tsosialy amin’ny alalan’ny fikambanana tarihiny izay mankalaza ny faha-folo taonany ankehitriny.
Mbola misy ny habokana… manampy ny Fikambanana Raoul Follereau…Ao Tsimahasengy no misy ny toby fitsaboana boka ao Analalava. Sœur Thérese no miandraikitra ny toby. Azo avy amin’ny valan’aretina « bacille de Hansen » ny habokana. Amin’ny hoditra ny seho ary vokatry ny tsy fikajiana ny fahadiovana. Tokony tsy hatahotra ny tantsaha.Azo sitranina tsara ny habokana.
BiodiversitéSAHAMALAZA : le second biosphère marine de Madagascar.Lors du Congrès Mondial sur les aires protégées, tenue à Durban en septembre 2003, le parc national et réserve marine de SAHAMALAZA-Ile RADAMA a été créé comme la première aire protégée marine et côtière dans la région SOFIA, et deuxième biosphère de Madagascar après Mananara-Nord. Ce reserve dispose d’une superficie de 26.035 Ha. Elle présente des intêrets de conservation de trois types d’écosystèmes prioritaires : la biodiversité endémiques d’espèces rares et/ou menacés de disparution ( les lémuriens, les espèces marines… et enfin la conservation de la bio-diversité génétique contre les pressions d‘origine anthropique ( le palissandre, le ramy, les éspèces de palétuviers, les requins, les dauphins…) L’objectif initial de la création de ce parc national est menacé car il a été identifié que la zône recèle des indices de reserve pétrolifère dont des compagnies américaines ont éffectué des recherches de prospection. Il reste à savoir quelle serait la priorité de l’Etat : preserver l’environ-nement écologique ou autoriser l’exploitation des ressources minières. DécouverteANALALAVA, une FUTURE DESTINATION TOURISTIQUE.ANALALAVA est situé au Nord Ouest de l’île , localisé à 75 Km à l’Ouest d’Antsohihy, se profilant à l’embouchure du canal LALOZA, face à l’océan du canal de Mozambique. Un beau panorama sur la rade. But d’une agréable promenade d’un après-midi pour admirer le magnifique coucher du soleil. Elle est bordée par une immense plage, recouverte lors des grandes marées. Une ancienne jetée s’avance vers la mer et devient à chaque fin de journée le lieu de rencontre ou l’on va « aux nouvelles » des arrivées. La bourgade du bout du monde. Analalava est une petite ville pleine de charme qui conserve une forte authenticité Sakalava. Analalava comprend différents lieux historiques à visiter tels que le bullon LOZA, le phare, l’ancienne résidence du gouverneur, le grand lac et les sites sacrés Sakalava, et enfin la prison de Nosy Lava. Malgré, certes le Gouvernement a fait des efforts pour améliorer le tourisme d’environ 20% d’augmentation de visiteurs en 2005 par rapport à l’année 2004, une tendance maintenue pour les années successives. La plupart de la population d’Analalava ne connaissent pas encore la norme internationale dans le secteur du tourisme notamment l’existence des hotely, les epi-bars, ainsi des bungalows très modeste pour ne citer NARINDRA HOTEL. Les hôtels et les bungalows ne correspondent pas au besoin des visiteurs de haute standing. Mais le déplacement vers Analalava engendre encore une difficulté pour eux. D’Antsohihy, une route goudronnée en direction vers Port BERGER pour prendre la bifurcation à 18 km après un pont, à droite une piste de latérite dégradée qui n’est praticable qu’en saison sèche. Indéfinissable parcours de safari commence à partir du PK.22 sur une zône sableuse pour atteindre le village d’Ambarijeby et d’Analavory. Prendre un taxi brousse, la liaison n’est pas assurée que suivant l’état de piste. D’autre part, elle possède un terrain d’aviation situé à 4KM de la ville, la régularité de la desserte aerienne n’est plus assuré. Par contre les vols privés sont à la carte très prisés des hommes d’affaires étrangers. Enfin un port fluvial situé à environ 2 KM de la centre ville. Une liaison quotidienne desservent Antsohihy – Analalava grâce aux vedettes à moteur à demi-journée de trajet. Les boutres et goélettes ainsi que les caboteurs de passage souvent aléatoire offrent leurs prestations dans le transport des marchandises. Le tourisme dans le district d’Analalava présente des lacunes faute de l’insuffisance, voir inexistant d’infrastructure hôtelière de norme. En priorité, la formation en hôtellerie et restauration s’avère indispensable pour les jeunes de la région afin de rendre compétitif et performante leur lieu touristique régional. De nombreux promoteurs sont actuellement décidés d’investir pour installer leurs complexes hôtelières de haut de gamme. La preuve d’ANJAJAVY HOTEL et de NOSY SABA HOTEL sont là, déjà classés de renom international. C’est un endroit au bout du monde entouré de sites marins de toute beauté. La nature y est restée intacte et la foret primaire préservée des Tsingy. Une destination qui fera rêver. Découvrir cette partie de la région SOFIA et sa particularité restera dans la mémoire de ceux qui l’ont déjà visité et donne toujours l’envie d’y revenir… Propos de RAZANAMANAMPISOA Florence M'BDID'FampivoaranaFitaovana mahomby ny fahaizana mamaky teny sy manoratra, zo ny fahalalàna ny vaovao ary mampivoatra ny gazety...
Mitaky fahombiazana ny fampandrosoana an'i Madagasikara |


