|
A la Une
TITRES
EditoEDITO
Miandry fiovana ny faritra SOFIAI MADAGASIKARA dia azo lazaina fa anisan’ny paradisa voajanahary eto an-tany. Hita eto amin’ny nosintsika avokoa mantsy ny kanto rehetra. Manaporofo izany izay rehetra tazan’ny maso aty amin’ny faritry SOFIA. Ny mponina, ny tany midadasika azo hamokarana, ny biby sy ny ala-nanahary , ny morondranomasina… dia ananany avokoa. Mahavariana anefa fa dia mbola tratra aoriana eo amin’ny lafiny fandrosoana io faritra io. Ankehitriny dia miroso ho amin’ny fampivoarana ny mponina sy manao ny ezaka fampandrosoana ny faritra ny rehetra. Asa maro no vita amin’ ny fanatanterahana ireo foto-drafitr’asa toy ny fifandraisandavitra sy ny làlana, ny fanatsarana ireo tambazotra famokarana sy ny sisa…Tsy ampy anefa ireo. Mila miatrika sy mandray an-tànana ny ady amin’ny fahantrana ny faritra SOFIA. Atao laharam-pahamehana ny famokarana ara-pambolena, indrindra fa ny voly vary, ka ho azo tsapain-tanàna ny fanatsarana ny fari-piainan’ny olona eny ambanivohitra. Ny faritra SOFIA dia sompitra manana ambim-bava ary mamatsy ny faritra hafa eto amin’ny nosy. Na izany aza dia mbola ambany ny faripiainan’ireo mponina. Voalaza ao anaty lalàm-panorenana ankehitriny fa ny faritra no fari-piadidiana eo amin’ny ambaratonga hisahana ny fitsinjaram-pahefana sy hiantoka ny fampandrosoana ifotony. Rehefa fampandrosoana no resahina dia tokony tsy hibahana betsaka intsony ny kabary sy ny adi-hevitra politika…Tokony havela any ireo fomba fanao fahiny tsy nahitana fahombiazana. Ny fiaraha-mientana sy ny fifanomezan-tànana ary ny fikarohana vahaolana… izay no tena andrasana amiko, aminao, amintsika rehetra ho an’ ny faritra SOFIA sy i MADAGASIKARA manontolo. Id’Fampivoarana Monographie
La Région de la SOFIA…des investissements prometteurs.
Les infrastructures, le désenclavement, l'autosuffisance alimentaire sont les défis de la Région pour son développement.
ANTSOHIHYSuperficie: 4.787 Km2 BEALANANASuperficie: 6.230 Km2 BEFANDRIANA NORDSuperficie: 9.121 Km2 MANDRITSARASuperficie: 9.604 Km2 MAMPIKONYSuperficie: 2.844 Km2 PORT BERGERSuperficie: 7.443 Km2 ANALALAVASuperficie: 10.071 Km2
TopimasoTOPIMASO ny any ANTSOHIHY, RENIVOHITRY ny Faritra SOFIA.
![]()
Id'F_MadaLE PROTRAIT
![]() Nirina Tremarisoa RAKOTOMALALA est le fondateur - gérant de l’Agence Conseils en COMMUNICATION AMP Service. Agé de 46 ans, dynamique et bon manager… il a effectué son étude secondaire au Lycée GALLIENI et, est titulaire d’un Baccalauréat série D, ensuite ses études supérieures en DROIT à l’Université d’ANKATSO. Déjà au Lycée GALLIENI, il s’est initié passionnément au métier sur la communication… Ecouter de la musique, la guitare classique, adhérer au groupe artistique VOAMAINTILANY , et participer au théâtre français, allemand et anglais furent sa préoccupation principale au Département Art et Culture du Lycée, la promenade et la découverte de la nature… a anticipé en lui le début de son parcours professionnel. Son sens d’organisation, lui a permis dans son palmarès de réaliser plusieurs émissions à la TVM au titre de Chargé de Production.
Ainsi, il n’a pas manqué de parti-ciper aux grands événements à Madagascar tels au RAID GAULOISE , MADA RAID, les actualités pour RFO/AITV de Paris, les JEUX de la FRANCOPHONIE… Son expertise en audiovisuel lui a rendu une renommée, puis il a été sollicité à plusieurs occasions à titre de consultant en IEC de divers projets entre autres : promotion du Sport en milieu scolaire avec la GTZ Coopération Allemande, PHACOM – Pharmacie Communautaire avec la Coopération Suisse, Appui au Développement Urbain avec la CFD Coopération Française, Promotion de la Destination MADAGASCAR avec la Maison du Tourisme…
Pendant une dizaine d’années (1997-2007), il a apporté son savoir dans la Reforme Institutionnelle des TELECOMMUNICATIONS en occupant des postes de haute responsabilité.Tout dernièrement, il est chargé de la coordination des opérations de mise en œuvre du projet Vsat/MTPC/TELMA dans le cadre du déploiement des infrastructures de Télécommunications et de désen-clavement de quatre districts de la Région de la SOFIA (notamment BEALANANA, BEFANDRIANA, MANDRITSARA et ANALALAVA). Bref, très convaincu sur l’avenir du développement de MADAGASCAR dans l’instauration des Régions, il a fondé en juillet 2007 l’association « id’Fampivoarana an’i SOFIA » Initiatives - Développement & Progrès, dont il est, lui même, l’Administrateur de Projets. Texte de Florence RAZANAMANAMPISOA et de HARILALA Nirina Nicole Présentation de l’Association id’Fampivoarana an’i SOFIA« Initiatives - Développement & Progrès » définissent l’esprit de la dénomination « id’Fampivoarana ». « Id’Fampivoarana an’i SOFIA » est une association régie par l’ordonnance 60-133 du 03 octobre 1960 de la République de Madagascar. Elle a été créée le 10 juillet 2007 et son champ d’intervention s’étend sur toute la Région de la SOFIA, et éventuellemet d’ambition à une couverture nationale. Sa vocation est de promouvoir et d’agir pour tout programme d’actions de développement relatif aux initiatives de mobilisation des collectivités communautaires à travers les structures du « FOKONOLONA » avec la devise « MALAGASY TIA FIVOARANA, ainga fototra manosika firosoana ho amin’ny FAMPANDROSOANA an’i MADAGASIKARA ». Le «progrès » est ici défini comme le résultat d’un processus qui tend à un changement de comportement de tous les acteurs de développement, toutefois l’on respecte la tradition mais on adhère à la nouvelle technologie. Bref, c’est la dynamique résultante des actions positives de tout à chacun à tout les niveaux de la communauté et des couches sociaux malgaches. L’association est apolitique, bénévole et non partisane. Elle a élis son siège social Logement Mission Catholique B.P 59 ANTSOHIHY. Quant aux projets, un bureau de liaison se trouve à Antananarivo Lot II W 24 Ambodirotra – 127, route circulaire B.P 4377 . La durée de vie de l’association est illimitée. La structure organique de l’association est définie comme suit : a) Conformément à son statut, l’association a son Bureau Exécutif et ses membres élus en Assemblée Générale. Cette assemblée a élu Monsieur Aimée RAKOTONDRAVELO comme Président du Bureau Exécutif, Le LOGO
En cadre carré sur un fond bleu clair, un globe terrestre des continents dont les deux pôles sont parsemés d’un fondu jaune, puis en gros plan un MADAGASCAR VERT. MADAGASCAR encerclé d’une boule mise en orbite sur une ellipse, puis au centre traverse deux ondes convergentes, de couleurs blanches et bleues… Les significations : « Initiatives - Développement & Progrés » définissent le sens de la dénomination « id’Fampivoarana » Le rechauffement de la terre et le changement climatique mondiale … La vision d’un MADAGASCAR VERT par la recouverture végetale, forestière et agricole de l’île, la nouvelle tehnologie du NTIC et la rencontre des courants de la culture malagasy avec le monde.
F'JeryF'JERYFAMPIVOARANA sy FAMPANDROSOANA.MADAGASIKARA dia nataon’Andriamanitra ho nosy. Nandalo tamin’ireo dingana telo ireo ny firenentsika. Midika izany fa tsy azo ihodivirana ny fandrosoana. Maro tamin’ny faritra eto MADAGASIKARA no nitoka-monina fahizay. Ankehitriny, maro no mbola tratra aoriana eo amin’io sehatra io. Tsy misy ny làlana, tsy misy fifandraisan-davitra, ny sekoly, ny tobi-pitsaboana ara-pahasalamana tsy zarizary. Ny faritra SOFIA dia anisan’izany. Midadasika ary mirefy ho 50.000 Km2 any ho any ny habeany. Miisa 1300 any ho any ireo tanàna kely na fokontany anatin’ny distrika fito. Maro ny foko monina aty SOFIA … ny Tsimihety sy ny Sakalava ary ny Sihanaka no tany am-piandohana. Ankehitriny, noho ny fisokafana amin’ny fifaneraserana amin’ny faritra hafa dia tonga ireo mpihavy toy ny Merina, ny Betsileo , ny Betsimisaraka ary ny Antandroy avy any atsimon’ ny nosy. Ireo voalaza fa tompon-tany toy ny Tsimihety sy ny Sakalava dia tena saro-piaro amin’ny nentimpaha-razana. Ny fanjonoana sy fihazana anaty ala, ny fiompiana omby , ny takalo ary ny fambolena ireo hanina ho vatsy toy ny vary sy ny hanin-kotrana no anto-pivelomana any amin’ireo tanana sy faritra mbola mitoka monina. Eny, voaresaka tato ho ato ilay famokarana « toaka gasy » anton’asan’ireo tantsaha maro aty amin’ny faritra SOFIA. Hatramin’izao aloha dia voararan’ ny lalàna ny famokarana azy io noho izy sehatr’ asa tsy voafaritra ara-panjakana sy tsy manara-penitra na « informel » ka mety hanimba ara-pahasalamana. Kolotsaina iray ny « toaka gasy », tsy lavina izany satria ampiasaina amin’ny fotoana lehibe amin’ny lanona ara-pianakaviana sy ny fiaraha-monina, indrindra amin’ny fehim-pihavanana toy ny famorana, famadihana sns… Ankoatra ireo dia voasokajy ho zava-mahadomelina izy. Ny fidiran’ny fivavahana kristiana teto amintsika dia nanova zavatra maro. Nanomboka nianatra nanoratra sy namaky teny ny olona. Fitaovana nampiasan’ireo evanjelistra vahiny ny resaka finoana ka nanaparitaka ny Baiboly izy ireo. Kolotsaina vaovao avy any ivelany teto no nifanehitra tamin’ny fomba fanaon’ireo mponina efa teto an-toerana. Nahavariana ny nianatra ireo zava-baovao nentin’ny vahiny. Napetraka teo ny salaka ary niatomboka niakanjo ny rehetra. Niatomboka ny sehatra fihariana, ny vola, ny varotra, ny famokarana ara-pambolena sy fiompiana. Nivoatra ny fiaraha-monina ka niatomboka ny fiasana ny tany sy ny fiompiana. Nipetraka ny lamina vaovao ka niatomboka ny fananganana ny fiangonana, ny sekoly, ny toeram-pitsaboana, ny paositra sy ireo sehatr’asa ara-panjakana maro manerana ny Nosy. Nolalovana avokoa ny vanim-potoan’ ny vazimba, ny faha-mpanjaka, ny fanjanahantany, ny fahaleovantena, ny Revolisiona Sosialista ary ankehitriny miatrika izany atao hoe fanatontoloana ny toekarena… Mihazakazaka tokoa izy izany. Aiza ho aiza Ra-Malagasy amin’izany ? Mila finiavana, mitaky ezaka sy fiaraha-mientana any ifotony ary arahin’asa ny fisedrana ny fihazakazaky ny fandrosoana ka tokony halavirina ireo fomba fanao taloha tsy nahitam-bokany : kabary politika manakaiky fifidianana, fanindraindrana ny antoko politika sy firehan-kevitra fotsiny sns…, tsy zava-baovao fa efa fantatry ny maro izany… Ny fampiasaina araka ny tokony ho izy ireo teknolojia vaovao toy ny satelita amin’ny fifandraisan-davitra miantefa amin’ny famokarana, ny toetr’andro, ny fahasalamana, ny làlana dia ahavaha olana eo amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka. Io no fijery vaovao ho fampivoarana an’ny MALAGASY ho amin’ny tena fampandrosoana an’i MADAGASIKARA. Ezaka iaraha-manana ho an’ ny be sy ny maro izany ka tokony hilofosan’ny rehetra. Mirimorimo tokoa ilay fandrosoana. Faniriana ny tsy hisian’ ny elanelana amin’ny faritra rehetra manerana an’i MADAGASIKARA. Mitrakà ry MALAGASY ! Id’Fampivoarana. AIZA ho AIZA ireo FOTO-DRAFITR’ASA HO AMIN’NY FANATSARANA ny TANANAN’ ANTSOHIHY ? Tsy mitsahatra mitombo ny isan’ny mponina eto amin’ny renivohitry ny distrikan’Antsohihy. Tanàna lalovan’ny rehetra aty avaratra andrefan’ny Nosy izy, indrindra fa ireo olona avy amin’ny distrika avy amin’ny faritra SOFIA.Miisa eo amin’ny 60.000 ny mponina ao. Tsiahy fotsiny fa tamin’ny taona 2005 dia nisy ny fanadihadiana ahafahana mametraka ireo tetik’asa amin’ny fanatsarana ny tanàna na « Plan Simplifié d’Urbanisme » ho an’ny kaominina eto Antsohihy. Voafaritra anatin’izany ireto sehatr’asa maro toy ny fanamboarana ireo làlana eto an-tampon’ny tanàna, ireo tohatra sy lalan-kely, ny famerenana ny asan’ny « voirie » amin’ny fanadiovana ny tanàna, ny fametrahana ireo « bac à ordure », sy « bassin public » ahafahan’ny olona manasa lamba, ny « gare routière » manara-penitra vaovao, ilay « vitrine agricole », ilay « espace vert communal », ilay « théâtre de verdure » na sehatra fampisehoana koltoraly, ireo « publiphone » ahafahan’ny maro mifampiantso an-tariby, ilay « hôtel de ville » vaovao miaraka amin’ny « boulevard lehibe »… raha tsy hitanisa afa-tsy ireo vitsivitsy ireo fotsiny. Ny tena lehibe iray dia ny tokony ahitana vahaolana maharitra mikasika ny famatsiana herin'aratra amin’ny jiro hialana amin’ny « déléstage » ny JIRAMA. Etsy ankilany koa ny fanomezana rano madio fisotro sy « borne fontaine » hantsakan’ny olona. Asa midadasika maro no tanisaina fa ny fanatontosana azy no hametrahana ny fanontaniana etsy ambony miandry izay tompon’andraikitra afaka mahita ny vahaolana hamadika ny nofy ho zava-misy. Tokony hotanterahina avokoa ireo ho fitsinjovana ny fanatsarana ny tontolo iainan’ny vahoakan’Antsohihy. ADY amin’ny DORO-TANETY sy FANIMBANA ny TONTOLO IAINANA.Tena mampivarahontsana ny mahita ny tarehi-marika sy ny tatitra samihafa mikasika ny fahapotehan’ny tontolo iainana aty amin’ny faritra SOFIA, indrindra ny distrikan’ Antsohihy amin’ny doro-tanety sy ny tsy fandriampahalemana. Miova araka izany ny toetr’andro satria mihena ny faritra misy zava-maniry sy ala manome orana (micro-climat).Tena diso ny fihevit’ireo tantsaha fa ny setroka noho ny doro-tanety no manome ny orana. Ny mifanipaka amin’izany no misy satria miteraka hafanana ny afo ary mamoaka « gaz carbonique » ireny. Io no miteraka ilay hafanana « effet de serre ». Ny vokany dia tsy misy arony ny tany amin’ny fotoanan’ny orana. Koaka ny havoana moron-tendrombohitra ilay atao hoe « érosion des bassins versants » ary miafara amin’ny lavaka. Ireo atsanga voasarika no manentsina ireo lakan-drano, renirano ary miteraka tora-pasika amin’ny tanimbary na « ensablement ». Ankehitriny dia atao ny fanentanana mikasika ny doro-tanety ka mamporisika ny olom-pirenena mba hamboly hazo. Faizin’ny lalàna ny fandoroana tanety na ala. Manentana ireo tompon’andraikitra mba handray ny fepetra mifandraika amin’izany ary hampihatra ny lalàna. Ho amin’ny fanabeazana olompirenena vanona : « IZAY MANDORO TANETY sy ALA dia MANDORO TANINDRAZANA »
I.RoutièresLes infrastructures routières de la SOFIA
Les reformes institutionnelles du Ministère des Travaux Publics* Le Ministère des Travaux Publics a procédé depuis quelques années aux reformes institutionnelles de son organisation. Elle est caractérisée par le démembrement de ses activités. La politique sur la stratégie de développement du secteur routier est une attribution du Ministère en tant qu’entité de tutelle et organe du gouver-nement, tandis que les activités opérationnelles ont été déléguées à des entités autonomes. Quant à l’exécution des travaux de chantier est confiée au secteur privé notamment aux entrepreneurs professionnels des travaux publics. * La Direction des ROUTES est l’entité de supervision des patrimoines routiers sur tout le territoire national de MADAGASCAR. *L’Autorité Routière de Madagascar est l’entité autonome chargée de la «gestion des patrimoines routiers nationaux » sur tout le territoire de Madagascar. L’ARM s’occupe de l’exécution de la mise en œuvre des chantiers de construction, de réhabilitation et entretien des routes nationales. La recherche des financements pour les projets routiers est de ses attributions. La Banque Mondiale, l’Union Européenne, le Gouvernement Japonnais, le Gouvernement Suisse, la BADEA sont les principaux bailleurs de nos projets routiers. * Le FER (Fonds d’Entretien Routier) est l’organisme de financement relatif aux routes à Madagascar. Elle gère notre propre ressource locale provenant des taxes [TUPP] des produits pétroliers. * L’OTU (Office des Travaux d’Urgence) est un organisme du Ministère chargé des interventions et gestion des urgences dues aux dégâts cycloniques des routes, puis d’organiser les intervenants concernés, entre autre les régions, les districts et les collectivités localesux. Le FER reste encore dans le contexte actuel le principal bailleurs des interventions de l’OTU. L’OTU est représenté par la Direction Régionale des TP dans les régions. Provisoirement, elle est autorisée à exécuter en régie les travaux purement d’urgence ou à procéder à une consultation restreinte des offres dans le but de résoudre dans les brefs délais le rétablissement à la normale des trafics. Le mécanisme des travaux en régie sera totalement abandonné dans le futur. Les chantiers routiers seront attribués exclusivement aux entrepreneurs professionnels des travaux publics. Pour ce faire, des appels d’offres sont lancés à l’intention de ces professionnels. La gestion du « parc modulaire » des ponts BEILLEY font partie des attributions de l’OTU. La Charte des Routes de Madagascar définit que les routes intercommunales vont être déléguées aux régions et aux communes. Les routes communales sont exclusivement des patrimoines des communes. Le FER dispose des lignes de financement aux entretiens de ces routes communales. Les collectivités communales peuvent prospecter auprès d’autres bailleurs de la coopération bilatérale… La RN.6 : le précieux cadeau de la providence…Les cauchemars se sont dissipés pour les usagers de la route reliant Antananarivo à Antsiranana. Encore quelques années auparavant, les usagers prennent une dizaine de jours pour effectuer le voyage. Voire ces routes ne sont pas praticables en saison des cyclones. Enfin, les tracas sont terminés puisque le chantier devient une réalité avec la ferme volonté du Président de la République Son Excellence Marc RAVALOMANANA qui a soutenu auprès des bailleurs, citons le FED - Union Européenne et la BEDEA dans le financement du projet. La COLAS est le maître d’ouvrage du tronçon Port BERGER via ANTSOHIHY jusqu’à AMBANJA, au total de 312Km prévus pour une route bitumée. La SOGEA SATOM est le titulaire des travaux effectués entre MAMPIKONY et Port BERGER. Faute de financement, il reste 22Km de route non bitumée entre Tsarahasina et Port BERGER. Il est à noter qu’actuellement la RN6 (Ambondromamy à Antsiranana) est praticable toute l’année. Le Montant total du projet RN.6 est environ de 400 Millions d’Euros. Pour la partie de route non bitumée, les usagers sont invités à respecter les indications routières, entre autre les réglementations de la barrière des pluies en période des mauvais temps, du mois de décembre jusqu’en avril. La RN.6 traverse trois districts de la région de la SOFIA de MAMPIKONY, PORT- BERGER et ANTSOHIHY. Cette route est le cadeau de la providence et constitue un espoir à la veille du développement de toute l’économie de la partie Nord Ouest de Madagascar.
I.Télécom
Un enjeu du désenclavement : les télécommunicationsL’année 2007-2008, la région de la SOFIA est bénéficiaire d’un énorme investissement de déploiement d’infrastructure des télécommunications. Les trois opérateurs nationaux sont presque présents dans tous les sept districts. Le coût est estimé à plus de 1,5 millions de dollars par opérateurs pour la couverture de la totalité de la région SOFIA. TELMA, le partenaire du développement des régions…En 2007, par le programme Vsat/MTPC, TELMA a installé un réseau Vsat et un parc publiphone dans quatre districts de la région SOFIA. A ANTSOHIHY, TELMA MOBILE couvre le chef lieu du district et de ses environs par un réseau local GSM. Pour satisfaire la population dans la communication, une quinzaine de publiphones sont fonctionnels partout en ville. Les quatres autres districts tels BEALANANA, BEFANDRIANA, MANDRITSARA et ANALALAVA disposent chacun d’un parc de quatre publiphones. TELMA reste le premier opérateur convergent avec son offre TELMA NET disponible au réseau à ANTSOHIHY. C’est une offre Internet par le biais de TELMA MOBILE. A ce titre,TELMA reste l’opérateur avec le prix le plus compétitif du marché. Une nouvelle image d’une société privatisée, un nouveau souffle par la rénovation de l’agence d’accueil de sa clientèle : le new look du TELMA SHOP à ANTSOHIHY. CELTEL, la solution clés en main de la téléphonie du mobile…CELTEL est prête pour la libéralisation totale du secteur des télécommunications prévues en juillet de cette année 2008. Le backbone en terme de réseau continu reliant la RN4 à la RN6, d’Ambondromamy jusqu’à Antsiranana via Maromandia est actuellement opérationnel. CELTEL est l’opérateur de téléphonie mobile le mieux positionné par sa grande couverture du territoire national à Madagascar. CELTEL est dorénavant classée l’opérateur leader du marché. Le plus populaire du pays, son parc d’abonnés est estimé au tiers de la population malgache. Le réflexe CELTEL est déjà conquis. Ses produits et ses tarifs sont à la portée de toutes les bourses. CELTEL n’a pas déçu les professionnels et opérateurs économiques de diverses activités en mobilité dans toute l’île. Les jeunes et les paysans en milieu rural de la région s’initient à la communication par SMS. Le réseau CELTEL dans la région SOFIA est «sans coupure » entre les boucles des FH sauf sur les parties de «zones d’ombres » tels que les vallées et écran de montagne. ORANGE Madagascar aux parfums de la mondialisation…C’est la filiale d’ORANGE INTERNATIONALE avec une participation de FRANCE TELECOM. A Madagascar ORANGE possède une couverture nationale de son réseau, presque les 110 districts sont desservis. ORANGE assure un réseau des télécommunications à l’international les plus ramifié à travers le monde entier. Les opérateurs économiques sont les plus privilégiés. Dans la région de la SOFIA, actuellement ORANGE NET (un offre de service Internet ) est disponible et sa vente est en progression. Le plan de déploiement d’ORANGE dans cette zône n’est plus à justifier car elle répond aux règles du jeu de désenclavement de la région, et à l’anticipation du développement économique par la future intégration à la zone des échanges régionaux ( COI, SADC, NEPAD, APE avec l’UE…). Le backbone national d’ORANGE à Madagascar est considéré déjà prêt. La connectivité à l’internatinal par fibre optique sous marine reste un grand mystère et laisse le suspens à la grande surprise de tous. Le repositionnement sur le marché n’est qu’une étape à franchir pour faire face à l’imminence de la libéralisation du marché à Madagascar. ORANGE a sa stratégie et la concurrence est déjà vécue en avant goût de la mondialisation.
Légende : R ~ Réseau ; p ~ publiphone ; @ ~ Internet ; ND ~ Non Disponible
Tapatapany
Tapatapany![]()
Afaka mifaly tanteraka ny faritra SOFIA fa niala tamin’ny fitokana-monina na « enclavement » satria efa tafapetraka ireo foto-drafitr’asa momba ny fifandraisan-davitra. Iza amin’ny mponina aty amin’ny faritra no tsy efa mampiasa ny finday na koa ny « publiphone » hifampiantsoany amin’ny namany, ny fianakaviany ary indrindra eo amin’ny asa fandraraharana andavan’andro toy ny mpivarotra, ny mpiasa birao, ny tantsaha amin’ny asa famokarana ataony… Mahenika ny renivohitry ny distrika fito aty amin’ny faritra SOFIA ireo mpandraraha telo lehibe amin’ny fifandraisan-davitra dia TELMA, ORANGE ary CELTEL.Malalaka ny tsirairay amin’izay tambazotra safidiny. Rakotry ny fifandraisan-davitra ankehitriny ny faritra ka tsy mitoka-monina intsony. Irina tsy ho ela koa dia hiditra ny teknolojia vaovao toy ny Internet. Faritra maro any Afrika no efa nahavita dingana lehibe amin’ny atao hoa « téléphonie rurale » sy ireo « télécentre communautaire polyvalent ». Vitan’ny hafa ve tsy ho vitantsika Malagasy. Ireo tetik’asa momba ny LALANA aty amin’ny FARITRA SOFIA :Tetik’asa RN6:(Ambondromamy-Antsohihy) Eo am-pamitana ny asa ny orinasa COLAS. Ho vita tara tanteraka koa ny làlana mamakivaky ny tanàna eto Antsohihy. Antenaina ho vita torak’izany koa ny làlam-pirenena mandalo ny tanànan’i Port BERGER, izay tena ratsy sy be lavadavaka. Hatramin’izao dia tsy misy fanamboarana. Ilay ampahany TSARAHASINA – Port BERGER, mirefy ho 22Km eo ho eo koa dia tsy vita tara. Na izany aza dia efa natao làlan-tany vita « terrassement sy compactage » ka heverina fa tsy ho tapaka intsony mandritra ny fotoam-pahavaratra. Eo ampikarohana loharanom-bola fanampiny hamitana io ambiny, io ho vita tara tanteraka hoy ny tompon’ andraikitra amin’ny asa vaventy. Tetik’asa RN.31:(Antsohihy-Bealanana) Taorian’ny fandalovan’ny cyclone Indlala tamin’ny taona 2007 dia tapaka ny tetezana eo Anjingo, mifameno amin’izany koa ireo tany mihotsaka manomboka eo Antsahabe mipaka amin’ny Col d’Ampandrana. Efa manomboka ny asa fanamboarana ny tetezana Anjingo izay hametrahana « pont BEILLEY » ary novatsian’ny vondrona Eropeana vola ka ny orinasa COLAS no hanantontosa ny asa. Ny fanokafana ny làlana amin’ny tany nihotsaka dia mbola mikaroka ny vahaolana ny tompon’andraikitra ao amin’ny « Autorité Routière de Madagascar ». Tetik’asa RN.32:(Antsohihy- Befandriana- Mandritsara) Hoavaozina tanteraka koa io làlam-pirenena io. Ny Banque Mondiale no voalaza fa mety hamatsy vola ny tetik’asa. Ho tafiditra amin’izany koa ny tetezana « pont SOFIA » mankany Mandritsara. Mba fantatrao ve fa ny « pont de la SOFIA » amin’ny RN6, mirefy ho 900 metatra mahery no tetezana lava indrindra eto Madagasikara. Aoka samy hitandrina ho fisorohana ny loza… SOAVA DIA e ! |
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||





