
Fandaharana :
Vololoniaina
RASOAVELONIRINA
|
Tapaka nandritra ny SL XIII
tany Antsiranana tamin'ny volana Aogositra 1996 fa hampiasa
ny haino aman-jery ho fitaovana hitoriana ny Filazantsara
ny FJKM : " RADIO FAHAZAVANA " , " ho fampandrosoana ny olona
rehetra sy ny olona manontolo ", araka ny tanjona kendreny.
:
|
-
Ho an'ny olona rehetra satria
tsy anavahana fiaviana, sokajin-taona, finoana, saranga.
Tsy anavahana ny maha-vavy na maha-lahy, ny fari-pahaizana.
-
Ho an'ny olona manontolo satria manolotra
izay sahaza ny saina, ny vatana ary ny fanahin'ny mpihaino.
|

Teknika :
Soloarizaka RANDRIANAMBININTSOA |
Araka izany, miezaka ny Radio
FAHAZAVANA hanolotra ho an'ny mpihaino fandaharana maro karazana
: tsy vavaka fotsiny, tsy hiram-pivavahana fotsiny, tsy hiran'izao
tontolo izao fotsiny, tsy fampianaram-pinoana fotsiny, fa
izay tena sahaza ny saina, ny vatana ary indrindra ny fanahy.
Mampandroso, izany hoe, mampandeha, mampivoatra, manitsy ary
mananatra, ireo no fenitry ny Radio RAHAZAVANA.
|
|
Natsangana ny ekipan'ny Radio hamolavola ny fananganana
ny radio taorian'ny SLXIII. Nanomboka ny fanofanana ireo olona
vonona hiasa. Noentanina ny fitandremana FJKM tratra antso
handray anjara amin'ny fampitaovana. Vokatr'izany ezaka rehetra
izany, nanomboka niasa ny Radio FAHAZAVANA teo amin'ny mari-drefy
95.4 FM tamin'ny 17 Septambra 1997 tamin'ny 5 ora hariva,
teto Faravohitra. Emetteur 20 Watts sy table de mixage vita
teto an-toerana no nampiasaina.
|

Varotra
:
Naliranto
RANAIVOSON |
Nitohy hatrany ny fikarohana
fanampiana na ny avy eto an-toerana na ny avy any am-pita
ka tamin'ny taona 1998, dia nahazo fanampiana tamin'ny CWM
ny FJKM nahafahana nampitao ho tsaratsara kokoa ny Radio FAHAZAVANA.
Niakatra ho 150 Watts ny emetteur. Nihatsara ny fitaovana
tao amin'ny studios. Niparitaka nanodidina ny faritra maro
teto an-drenivohitra ny mari-drefy 88.6 FM. Nifindra toerana
teny amin'ny Trano Ifanomezantsoa Analakely ny Radio Fahazavana
rehefa vita ny studios vaovao.
|
|
Natsangana ny Sakaizan'ny Radio
FAHAZAVANA (hanohana ara-bola sy ara-pitaovana) sy ny Amboaram-peon'ny
Radio FAHAZAVANA (hihira ireo hiram-piangonana alefa amin'ny
fanompoam-pivavahana eto amin'ny Radio ary hampahafantatra
ny Radio any amin'ny faritra maro manerana ny Nosy amin'ny
alalan'ny fitsidihana ataony amin'ny maha-antoko mpihira azy).
Hatreto dia ny Mpitandrina RANDRIAMANANTENA Théodore no nitantanana
ny Radio FAHAZAVANA, ka sady Talen'ny Famoahana izy no Tale
Teknika. Mpiasa maty hanina 04, mpiasa an-tsitrapo 16, mpanao
fandaharana 30 teo ho eo no nampandeha ny Radio .
|

Fampahalalam-baovao :
René RAVOAVISON |
Nihatsara hatrany ny fitaovana,
satria tamin'ny taona 1999, dia nahazo fanampiana tamina kristiana
FJKM malala-tanana indray ny Radio FAHAZAVANA. Niakatra ho
500 Watts ny émetteur, izany hoe, mahenika ny 100 km manodidina
an'Antananarivo. Namboarina ny trano tety Faravohitra ho azo
ampiasaina indray. Niverina ho ety Faravohitra indray ny foiben-toeran'ny
Radio FAHAZAVANA. Nihavao avokoa ny fitaovana nampiasaina.
|
|
Noraisina ho mpiasa matihanina ireo mpiasa an-tselika
12. Nitantana ny Radio FAHAZAVANA ny Tale RANDRIASANDRATRINIONY
Yvon. Mbola ny Mpitandrina RANDRIAMANANTENA Théodore ihany
no nisahana ny famoahana. Narindra ny asa rehetra ho ara-profesionaly
kokoa : Sampana Fampahalalam-baovao nahitana Tonian'ny fanoratana
nandrindra ny vaovao rehetra avoaka, Sampana Teknika, Sampana
misahana ny Fandaharana, Sampana Dokambarotra. Notokanana
tamin'ny fomba ofisialy ny Radio FAHAZAVANA tamin'ny 16 Jolay
2000, teo ambany fiahian'ny Praiministra RANDRIANARIVO Tantely
sy ny Ben'ny Tanànan' Antananarivo, RAVALOMANANA Marc, ny
Filohan'ny FJKM, ny Mpitandrina RAZAFIMAHEFA Edmond sy ireo
Birao Foibe.
|

Informatika :
Andry
RANDRIANASOLO |
Taorian'ny fihetsiketseham-bahoaka,
tamin'ny taona 2002, dia noraisin-dRamatoa RABETOKOTANY Tsiky
indray ny fitantanana. Tsy nisy mazava intsony nanomboka teto
ny Talen'ny Famoahana sy ny Tale Teknika. Nomarihina manokana
ny faha-5 taonan'ny Radio. Nanomboka fantatra teo amin'ny
sehatry ny haino aman-jery maro ny 88.6 FM. Niezaka nizaka
samirery ireo fandaniana teo amin'ny kojakojan'asa maro ny
Radio FAHAZAVANA. Nisy ny fanavaozana teo amin' ny fitantanana
ireo sampana samihafa.
|
Nodimbiasan'Atoa RAVOHANGIHARISON
Didier ny fitantanana nanomboka tamin'ny volana Martsa 2003.
Noezahina ho ara-profesionaly kokoa ny fitantanana ara-bola
sy ny fomba fiasa. Heverina hitarina any amin'ny faritany
ny Radio FAHAZAVANA. Nitsangana ny site-web Radio FAHAZAVANA
. Noezahina ny nifandray matetika tamin'ny Fitandremana
FJKM ka nampahatsiahivina azy ireo indray ny fisian'ny Radio
FAHAZAVANA sy ny maha-fananany azy.
Marihina fa tsy nitsahatra
niatrika fiofanana ny mpiasa teto amin'ny Radio FAHAZAVANA
hatramin'ny niorenany ka mandrak'ankehitriny, na ireo mpiasa
matihanina na ireo mpanao fandaharana an-tsitrapo ary na
teto an-toerana na tany am-pitan-dranomasina.
Miha-reraka ny fitaovana ankehitriny.
Mila fanavaozana. Efa misy ny fanampiana azo avy amin'ireo
fitandremana maro ao anatin'ny Synodamparitany 10 mahazo
tsara ny Radio FAHAZAVANA, kanefa na izany aza dia mbola
be ny tokony harenina sy hamboarina.
|