© 2004
Nary ANDRIATSOLONDRIAKA

 

 

Boky volamena

 

  • Randriamanantena Théodore
  • (24 May 2005)
    Faly dia faly mandre indray ny RADIO FAHAZAVANA aty an-tany lavitra. Manantena izahay fa tsy ho faly mihaino fotsiny ny mpihaino fa hanampy ara-bola ny RADIO FAHAZAVANA hahazoana mampaharitra izao asa fifandraisana mahasoa ny maro izao.
  • Hery R.
  • (24 May 2005)
    Dia miarahaba ny Radio fahazavana sy ny tompon'andraikitra rehetra fa tafaverina amin'ny "laoniny "ny fihainoana azy aty ivelany.Mba ho mpihaino mpanatanteraka isika ka ho sakaiza mahatoky fa tsy ho mpihaino fe mpihaino fotsiny satria iaraha-mahalala fa tsy misy zavatra azo fotsiny amin'izao .Tsy misy vokany ny finoana tsy arahina asa .Mankahery ny rehetra tompoko.
  • Mamy Rajaonah ( Casablanca - Maroc)
  • (25 May 2005)
    Fifaliana sy hery lehibe ho anay mipetraka aty amin'ny tany silamo ny fahafahana mihaino indray ny Radio Fahazavana. Koa dia miarahaba sy mampahery ny tompon'andraikitra rehetra. Tsy manadino izahay @ fitondrana am-bavaka mba hampaharitra ny Radio.
  • Randriamanantsoa Zozo
  • (27 Jiona 2005)
    Mankasitraka ny ezaka lehibe ataon'ny Radio Fahazavana amin'ny alalan'ny fanaparitahana ny fandaharana amin'ny alalan'ny internet. Ho anay manohy fianarana aty an-tany lavitra (France) dia tena ilaina tokoa izany: ahafahana manaraka ny zava-misy marina aty M/car. Be dia be mantsy ny vaovao tsy marina momba an'i Ma/car miely aty France. Ilaina koa izao mba ahafan'ny kristiana mitombo amin'ny finoana amin'ny alalan'ny mofon'aina sy ny hira aram-pilazantsara ohatra. Ny any M/car mantsy dia mitobaka ny radio évangélique. Manara-po ny kristiana amin'ny fihainoana ireo toriteny sy fampianarana maro, fa ny aty France kosa tsy mba toy izany. Tena zava-dehibe amin'ny finoana ny fananana izao tranokala izao. Enga anie ka hitohy hatrany, ary mitrotro amim-bavaka anareo mba ho afaka manohy izany hatramin'ny farany.
  • lanto randriamanantena
  • (26 Jolay 2005)
    Faly tokoa ny tenanay maheno ny radio fahazavana aty Genève, fa misy afahana miheno hira sy fandaharana samy hafa ,ary dia miheno isan' andro tokoa moa zany , mahereza sy mahatanjaha @ asa zay nomeny tompofa izay no lalana nomeny ,ary ampetsaka aminy ny fitahiny mba aharitra ny asany
  • louise ramaroson
  • (03 Aogositra 2005)
    aza adino ny tantara
  • Hajatiana
  • (28 Oktobra 2005)
    Faly tokoa ny tenako mahare ny onjam-peo radio fahazavana aty an-tany lavitra aty tena mampahery anay tokoa ny mofon'aina isan'andro tena mahazo hery sy mampitombo ny finoana isan'andro .Mba miangavy antsika kristiana rehetra mba hitrotro ambavaka ny fisavorovorona misy @ FJKM sy nyFPVM mba hisin'ny filaminana tanteraka ttoy ny teo aloha indray.Dia mirary fahobiazana tanteraka ho an'ny mpiasa aoo @radio fahazavana ny Tompo anie hanafi hery anareo rehetra mivavaka ho anareo izahay mba handroso hatrany nyasa hataonareo .Mametraka ny veloma finaritra toko
  • Rivosolo Ramaroson
  • (15 Novambra 2005)
    Izahay dia ankonona mipetraka aty an-tany lavitra ary anisan'ireo mahazo hery ho entina miatrika ny asa sy ny adidy aman-draikitra Dia feno fisaorana feno. Dia mba asio tatara marina e!
  • louise ramaroson
  • (17 Novambra 2005)
    montpellier .mba sivo tantara tompoko
  • Ratovoherizo Frank(Fontenay/Bois)
  • (21 Novambra 2005)
    Fisaorana feno no atolotray anareo nitoto naha fotsy izao hezaka lehibe izao. Eny,tompko manome hery tokoa ny mihaino ireo ,ary indrindra aty lavitra aty. Mahatsiaro ny fitaizana ara-pilazantsara fahiny. Misaotra tompoko,ary ny TOMPO anie mbola hiaro antsika lalandava. Mirary ny Soa rehetra ho antsika mianakavy...
  • Rahaingonjanahary Rodolphe
  • (23 Janoary 2006)
    Herin' Andriamanitra miasa hahazoana mitana tsara ny finoana ity Radio Fahazavana ity. Toy ny voantsinapy ho tonga hazo lehibe ialokalofan' ny vorona no aminavinako ny ho aviny.
  • jimmy rivomalala
  • (28 Febroary 2006)
    Ny fitoriana arahin-kira dia toy ny tsiky mambabo hatrany, zava-tsoa tokoa no entiny. Soava-dia sy mahavità miaraka amin'Ilay Tompontsika.
  • holy irène
  • (04 Martsa 2006)
    Mampahery ny kristiana rehetra aho mba handroso sy hanatona be be KOKOA HATRANY ny TOMPONTSIKA ka tsy hanankim-po@fiainana eto an-tany izay mandalo fotsiny ihany sy ny harena izay mora lo,fa kosa HIKATSAKA NY FANJAKAN'NY LANITRA izay HARENA MASINA sy maharitra ho MANDRAKIZAY.
  • Saholinirina Rasoanandrasana
  • (12 Martsa 2006)
    Faly ary misaotra an´Andriamanitra afaka mihaino ny Radio Fahazavana @ internet! Mankasitraka anareo rehetra Ekipan´ny Radio Fahazavana. Hebreo 6:10 atolotra antsika rehetra. Veloma sy Mampamangy manokana ho an´i Mme Hantavololona Christianne, rahavaviko manokana tsy hadinoko!!
  • Nivo
  • (20 Martsa 2006)
    Misaotra ny Radio Fahazavana fa mampahery sady mampitombo ny finoana mandritry ny andro rehetra, indrindra aty amin'ny toeram-piasana. Mangataka mba hisy "baiboly" afaka hovakiana na itadiavana andalan-tsoratra masina ato amin'ny site web. Misaotra Tompoko, ny Fiadanan'ny Tompo ho aminareo
  • Dr Ratovoherizo Mamy Daniel
  • (02 May 2006)
    Faly miarahaba ireo tompon'andraikitra rehetra eto amin'ny Radio Fahazavàna izahay eto aminin'ny Fjkm Montrouge Paris. Faly tokoa izahay nandray ny Tale, Atoa Didier Roland Ravoahangiharison, sy ny Filohan'ny Sakaizan'ny Radio fahazavàna. Misaotra azy ireo tokoa izahay tonga nihaona taminay sy namangy anay teto amin'ny Fjkm Montrouge Paris sy Ampitandranomasina Eropa tamin'ny 29 sy 30 Aprily 2006 teo. Fifaliana ho anay ny manasa anareo hitsidika ka hihaino ny Fanompoam-pivavahana nataon'ny Radio Fahazavàna tamin'ny alahady 30 aprily 2006, teto amin'ny Fjkm Montrouge Paris : azonareo henoina izany ao amin'ny site internet-n'ny Fjkm Montrouge . Ny Fanompoam-pivavahana manontolo no azonareo henoina ao, ary dia ho ren'ny rehetra eto amin'ny Radio Fahazavàna izany Fotoam-pivavahana izany, araka ny fandaharana izay hampitain'ny Tale anareo. Misaotra indrindra tompoko amin'ny fadanvantenan'ny rehetra hampandroso ity Radio Fahazavàna ity. Dia manao veloma finaritra tompoko. Dr Ratovoherizo Mamy Daniel, Président-n'ny Fjkm Montrouge Paris
  • Fjkm Montrouge Paris
  • (02 May 2006)
    Faly miarahaba ny rehetra. Ity tompoko ny site internet-n'ny Fjkm Montrouge Paris (izay mbola tsy ao amin'ny rohy):http://fjkm.montrouge.free.fr Dia manao veloma indray tompoko. Dr Ratovoherizo Mamy Daniel, Filohan'ny Fjkm Montrouge Paris
  • Olivier&Hanitra
  • (06 May 2006)
    Misaotra ny tompon'andraikitra rehetra ato amin'ny Radio Fahazavana ary indrindra misaotra an'Andriamanitra koa fa dia mahafinaritra no sady mampitombo ny finoanay indrindra aty an-tany lavitra aty (Népal) ny fisian'ity site ity. Miray soa indrindra.
  • Herivololona RAMIALIMANANARIVO
  • (20 May 2006)
    Ny fisian'ity onjam-peo ity dia hery lehibe tokoa ho an'izay mihaino azy satria sady mamafy ny soa sy ny tsara indrindra izy, na ho an'ny aram-panahy na koa ho an'ny nofo.Misaotra indrindra anareo mpandrindra sy mpanatanteraka.Andriamanitra anie hampiroborobo ity onjam-peo ity. TANTE GRAZIE.
  • Fjkm Montrouge Paris
  • (21 May 2006)
    Faly indray miarahaba ny rehetra amin'ny anaran'ny Tompo. Anio alahady 21 mey 2006, amin'ny 4 ora tolakandro, dia hisy Fanompoam-pivavahana toy ny Alahady mahazatra, eto amin'ny Fjkm Montrouge Paris, ary dia ho raisim-peo iray manontolo amin'ny CD izany mba halefa amin'ny Radio Fahazavàna. Hisy fandraisana ny Fanasan'ny Tompo satria moa Alahady Fahatelo. Mampahatsiaro ny rehetra izany fa ny Fanompoam-pivavahna eto amin'ny Fjkm Montrouge Paris (Eropa) dia isan'Alahady amin'ny 4 ora tolakandro, eto amin'ny 64, rue Maurice Arnoux - 92120 Montrouge, ny Alahady voalohany sy fahatelo no Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo. Ny Pasteur Rakotoarimanana Joseph no Mpitandrina ny Fiangonana. Amin'ny Alahady 28 Mey (Fetin'ny Reny) dia fotaoa natokana ho an'ny Dorkasy ny ny Sekoly Alahady. Dia manantena ny fahatonvantsika rehetra hisaotra sy hidera an'Andriamanitra. hoy : Dr Ratovoherizo Mamy Daniel, Prezidan'ny Fjkm Montrouge Paris (Eropa) site : http://fjkm.montrouge.free.fr

Hafatra sasany...


Mametraha hafatra ato amin'ny boky volamena !
Ny mpanoratra


Ny hafatrao :


 


 

 

 

 
Afaka alainao ato ny plug-in RealPlayer
Ilaina ny plug-in RealPlayer ahafahanao mihaino ny fandaharana sy ny hira eto amin'ny tranonkala.

Rakitra

COMPTE BANCAIRE :
00008 00001 05004000161 90
Banque : BFV SG
Analakely
Antananarivo 101
Madagascar

Ekipan'ny onjam-peo
Ahafahanao mahafantatra ireo rehetra mampandeha ny onjam-peo

Fantatrao ve ?
Fantaro ny momba ny fampandehanana ny onjam-peo sy ny tranonkala

Rindram-pandaharana
Ahitanao ny fandaharana mandeha amin'ny andro sy ora ao anatin'ny herinandro (amin'ny onjam-peo irery ihany)

Rohy
Ireo vondrom-piangonana Malagasy sy vahiny ary fikambanana miara-miasa amin'ny onjam-peo

Serasera
Fifanakalozan-kevitra momba ny onjam-peo "Radio Fahazavana" sy lohahevitra hafa.
Boky volamena
Mametraha hafatra ho an'ny Radio Fahazavana.