© 2004
Nary ANDRIATSOLONDRIAKA

 

 

Miarahaba tompoko,

   Indro omena anao ny fanazavana ny fizotry ny asa eto amin'ity tranokala ity.

  Ny teknisiana ao amin'ny Radio Fahazavana dia manao ny "enregistrement numérique" ny fandaharana rehetra hapetraka ato, hataon'izireo amin'ny mini-disque izany, avy eo dia havadika ho "fichier .rm" izany hahamaivana ny fandefasana azy amin'ny alalan'ny "ligne téléphonique" ary mandefa azy ao France izay toerana misy ny mpampiatrano (hébergeur - Izay andohavam-bola isam-bolana ihany koa miampy ny fandohavana ny "Bande Passante").

Ny fandaharana Mofon'aina ohatra dia maharitra eo amin'ny 20 ka hatramin'ny 30 minitra eo ny mandefa azy. Miampy ny Vaovao izany, ny Finaritra sns.....

Avy ao amin'io mpampiantrano io no alehan'ny mpitsidika rehetra ahafahana mihaino ny fandaharana.

Isan'andro no hanaovan'ireo teknisiana izany afa-tsy ny alahady ihany. Toy izao no vola tsy maintsy aloha amin'ny "Facture de téléphone : 2 500 000 à 3 000 000 fmg/mois"; aloha amin'ny DTS (Telecom Malagasy). Efa nisy ihany ny antso natao teto ny mba hanohananao ny tranokala sy ny Radio Fahazavana kanefa dia vitsy ny namaly izany.

Tsy mbola misy irony "ADSL" irony eto Madagasikara ary tena lafo dia lafo ny fananana internet ho an'ny sarambabem-bahoaka.

                                                   Misaotra tompoko

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 


 

 

 

 
Afaka alainao ato ny plug-in RealPlayer
Ilaina ny plug-in RealPlayer ahafahanao mihaino ny fandaharana sy ny hira eto amin'ny tranonkala.

Rakitra

COMPTE BANCAIRE :
00008 00001 05004000161 90
Banque : BFV SG
Analakely
Antananarivo 101
Madagascar

Ekipan'ny onjam-peo
Ahafahanao mahafantatra ireo rehetra mampandeha ny onjam-peo

Fantatrao ve ?
Fantaro ny momba ny fampandehanana ny onjam-peo sy ny tranonkala

Rindram-pandaharana
Ahitanao ny fandaharana mandeha amin'ny andro sy ora ao anatin'ny herinandro (amin'ny onjam-peo irery ihany)

Rohy
Ireo vondrom-piangonana Malagasy sy vahiny ary fikambanana miara-miasa amin'ny onjam-peo

Serasera
Fifanakalozan-kevitra momba ny onjam-peo "Radio Fahazavana" sy lohahevitra hafa.
Boky volamena
Mametraha hafatra ho an'ny Radio Fahazavana.